Ny volana Aprily 2022 teo no nanomboka namatsy herinaratra ireo kaomina 3, Sahatona, Camp Robin, Vohiposa, ao amin’ny Distrikan’Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rihan-dranon’ny Fanindrona eto Sahatona. 1, 6 MW no herinaratra vokariny, izay sady mbola mamatsy ny Jirama ao Fianarantsoa ihany koa. Mponina 600 no efa misitraka herinaratra amin’izao fotoana, raha 1 200 no kendrena anatin’ny fametrahana ny foto-drafitrasa.

Nitsidika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ny Ambasadoro ny Frantsa eto Madagasikara, ny Vondrona Eropeana, ny AFD Agence Française de Développement, ny FFEM (Fonds Francais pour l’Environement Mondial), Izay mpamatsy vola ny tetikasa ary ny ADER (Agence de Développement de l’Electrification). Ny GRET kosa no miandraikitra ny fanantanterahina.

Catégories : Actualités