30 Aprily 2026 – Novotel Alarobia : Angovo avy amin’ny masoandro – Fanaovan-tsonia ho an’ny JIRAMA sy ny ADER

✅️ Tarigetra ato anatin’ny fanavaozana ny Repoblika ny fanatsarana ny sehatry ny angovo. 📝 Fanaovan-tsonia « Memorandum Of Understanding » (MOU) miisa 39 ho an’ny JIRAMA, ary 7 ho an’ny ADER no tontosa ny 30 Aprily 2026 teto amin’ny Novotel Alarobia. Raha tobim-pamokarana herinaratra miisa 55 hanome 526 MWc no voafaritra ho tinady ho an’ny JIRAMA, dia nahazoana tolotra hatramin’ny 3.753,191 MWc izany. Nahazoana tolotra mitotaly 406,72 MWc kosa ho an’ny ADER.

🫱🏽‍🫲🏼 Fanehoana ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na « Partenariat Public-Privé » (3P). ▶️ Ireo no vokatra azo nandritra ny fampivondronana ireo mpisehatra amin’ny angovo avy amin’ny masoandro nampitondraina ny lohahevitra « vahaolana avy amin’ny masoandro  » na « solution solaire pour Madagascar « .

✳️ Tanjona manaraka ny hirosoana amin’ny famadihana ireo MOU ireo ho fifanaraham-piaraha-miasa (Contrat), hitondra any amin’ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manerana ny Nosy.

👉Kihon-dalana lehibe ho an’i Madagasikara mankany amin’ny fahaleovantena ara-angovo ny hetsika omaly. Fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola, ary fanohanana ny fampandrosoana ny Firenena. Tombony goavana ao anatin’izao asa izao, ny fampivelarana manerana an’i Madagasikara, ny fisitrahana herinaratra. Eo koa ny fanenana ny vesatra ara-bola amin’ny fividianana solika ho an’ny JIRAMA, ary indrindra ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto amintsika.

❇️ Nanatanteraka ny fanaovan-tsonia ireo MOU ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas, sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny JIRAMA, ny Jeneraly RASOLOMANANA Hajatiana, sy ny Sekretera Mpanatanteraka eo anivon’ny ADER, Atoa VANOMARO Joelinet, ary ireo mpiara-miombon’antoka miisa 46.

Source : Ministère de l’Energie et des Hydrocrbures

Retour en haut